<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>229</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jesosy ô ! mba hasoavinao
 Ny asanay, izay atombokay
 Amin'ny Anaranao ;
 Ka mba ombay,
 Sy tahio, Tompo ô !
 Izao atao izao
 Dia tena sitrakao
 Ka ho tanterahinay,
 Mba ho fifalianay
 Sy ho voninahitrao.

[V2]
 Jesosy ô ! derainay Hianao,
 Fa feno famonjena olona
 Ny Anara-masinao !
 Ny herinao manome
 aim-baovao.
 Ny teny masinao
 Dia iankinanay
 Ka Hianao isaoranay
 Sy ankasitrahanay
 Eto sy rahatrizay.

[V3]
 Jesosy ô ! ny fanorenana
 Iainanay sy hahafatesanay
 Dia ny Anaranao, fa Izy no
 Manome toky be,
 Ka hitsangananay
 Ho velona indray ;
 Dia mba horaisinao
 Izahay navotanao
 Amin'ny Anaranao.</lyrics>
<title>Jesosy o! Mba hasoavinao FFPM229</title>
</song>